Raha misy mampahory, Indro, Jeso Tomponao ; Tsy afoiny tsy akory, Aza kivy hianao. Raha rava ny harena, Ka ho mafy ny manjo, Mbola misy famonjena, Aza mety kivy fo. Raha misy mampahory, Indro, Jeso Tomponao, Tsy afoiny tsy akory, Aza kivy hianao. Raha misy ady mafy, Indro, Kristy herinao ; Raha avy ny mpandrafy, Raiso koa ny sabatrao. Raha tamy hanangoly, Ilay fahavalonao, Ka mandrobo ny devoly, Mba aingao ny vavakao. Raha misy ..sns. Na marary mafy aza Ka mangirifiry ao, Ary na ho faty aza Ka handao ny havanao, Mbola misy antenaina, Indro, Jeso avotrao ; Famonjena avotr'aina, Indro, raiso ho anao. Raha misy ..sns.Святость Твоя жизнь во мне Io ho deciso Ты пришел в этот мир Hudaý söýgi أستطيع كل شيء huí xiǎng yé sū zài shì shàng Nocturno Abba, Atyánk Жалгыз менин каалоом, алкыштоо Сени شعر راسي
Song not available - connect to internet to try again?