Rainay ô, Mpamorona ! Jeso ô, Mpanavotra, Ary ny Mpananatra : Mihainoa, ry Tompo ! Hianao no foto-tsoa Sy harem-panahy koa, Handrosoanay tokoa : Mihainoa, ry Tompo ! Be ny heloka natao, Be ny famindramponao, Mamelà anay izao : Mihainoa ry Tompo ! Malahelo izahay, Fa maditra hatrizay, Aza mba mandao anay : Mihainoa ry Tompo ! Mba diovy ny fonay, Hatanjaho ny sainay, Ahitsio ny dianay : Mihainoa, ry Tompo ! Be tokoa ny indrafo Izay naseho ho anay, Tena latsaka ao am-po : Mihainoa, ry Tompo ! Eny, famonjena re, Hahitanay aim-be, No efa vitanao tetý : Mihainoa, ry Tompo ! Aina, hery, andro koa No atolotray tokoa, Mba hahaizanay ny soa : Mihainoa, ry Tompo ! Ho Anao tsy tapitra Haja, dera, saotra koa Ho Anao mandrakizay : Mihainoa, ry Tompo ! oOoДрагоценное имя Иисус أبانا أنت المصدر Ya Yesu Ubangijina Ba Kome Cikin Hannuna Dalam Lautan Yang Kelam My Deliverer Каршълар ạlftrẗ ạltẖạnyẗ ʿsẖr يا رافعي Cuando vemos el rostro de Cristo Қўлни кўтариб олқишланг
Song not available - connect to internet to try again?