Rainay ô, Mpamorona ! Jeso ô, Mpanavotra, Ary ny Mpananatra : Mihainoa, ry Tompo ! Hianao no foto-tsoa Sy harem-panahy koa, Handrosoanay tokoa : Mihainoa, ry Tompo ! Be ny heloka natao, Be ny famindramponao, Mamelà anay izao : Mihainoa ry Tompo ! Malahelo izahay, Fa maditra hatrizay, Aza mba mandao anay : Mihainoa ry Tompo ! Mba diovy ny fonay, Hatanjaho ny sainay, Ahitsio ny dianay : Mihainoa, ry Tompo ! Be tokoa ny indrafo Izay naseho ho anay, Tena latsaka ao am-po : Mihainoa, ry Tompo ! Eny, famonjena re, Hahitanay aim-be, No efa vitanao tetý : Mihainoa, ry Tompo ! Aina, hery, andro koa No atolotray tokoa, Mba hahaizanay ny soa : Mihainoa, ry Tompo ! Ho Anao tsy tapitra Haja, dera, saotra koa Ho Anao mandrakizay : Mihainoa, ry Tompo ! oOoměi cì mù sòng nán fēi de hòu niǎo Святой Господь открыл ВСЕКИ НОВ ДЕН Приди Эммануил Pane, ráč nás viesť Не теряйте Для меня нет преград Samolardan biz uchun kelgan ربي نور بنورك Obmy, Ježiš
Song not available - connect to internet to try again?