Rainay ô Masina ! Tompon'ny lanitra, Izay tia anay ; Kiady sy mandanay Ho fiarovana, Izay hitokianay Mandrakizay. Jeso ô, Tomponay ! Lalana marina Amin'ny Ray ! Fahamarinana Ary fiainana Azonay aminao Ry Tomponay ! Fanahy Masina ô ! Irak'i Jesosy Tonga etý ; Manazavà anay Amin'ny maizina ; Ny hevi-dratsinay Esorinao ! Andriamanitra ô ! Telo fa tokana, Tompo iray ; Aza mandao anay, Ory sy reraka Noho ny heloka Izay momba anay. Aza tsaroanao Ny hadisoanay, Ry Tompo ô ! Fa mamelà anay, Noho ny Zanakao Ka manomeza anay Ny fo madio.موسيقى Voyez le Christ sur la nue Stir in Me Hai, Mari Nyanyi Bersenang هذا يوم Tak vejdi, vejdi dál Мени ючюн Раббийим Jingle bells Denne za Pánom ísť rby̱ ạlhy̱ ạlḥy̱
Song not available - connect to internet to try again?