Rainay ô, Mpamorona! jeso ô, Mpanavotra, Ary ny Mpananatra; Mihainoa, ry Tompo! Hianao no foto-tsoa Sy harem-panahy koa, Handrosoanay tokoa; Mihainoa, ry Tompo Be ny heloka natao, Be ny famindramponao, Mamelà anay izao; Mihainoa, ry Tompo Malahelo izahay, Fa maditra hatrizay, Aza mba mandao anay; Mihainoa, ry Tompo Mba diovy ny fonay, Hatanjaho ny sainay, Ahitsio ny dianay; Mihainoa, ry Tompo Be tokoa ny indrafo Izay naseho ho anay, Tena latsaka ao am-po; Mihainoa, ry Tompo! Eny, famonjena re, Hahitanay aim-be, No he, vitanao tety; Mihainoa, ry Tompo Aina, hery, andro koa No atolotray tokoa, Mba hahaizanay ny soa; Mihainoa, ry Tompo Ho Anao tsy tapitra; Haja, dera, saotra koa, Ho Anao mandrakizay; Mihainoa, ry Tompo Amena.ҜҮНАҺЫМЫ НӘ ЈУЈАР Bogiem Twoim Jest Creo en ti ชัยชนะโลกนี้ Gdy Noe dryfował ترتاح النفوس JESUH, KA THLARAU DAWTU خوَدان أڤین هَ Abadiy II భజియింతుము రారే యేసుని స్తోత్ర
Song not available - connect to internet to try again?