Rainay ô, Mpamorona ! Jeso ô, Mpanavotra, Ary ny Mpananatra : Mihainoa, ry Tompo ! Hianao no foto-tsoa Sy harem-panahy koa, Handrosoanay tokoa : Mihainoa, ry Tompo ! Be ny heloka natao, Be ny famindramponao, Mamelà anay izao : Mihainoa ry Tompo ! Malahelo izahay, Fa maditra hatrizay, Aza mba mandao anay : Mihainoa ry Tompo ! Mba diovy ny fonay, Hatanjaho ny sainay, Ahitsio ny dianay : Mihainoa, ry Tompo ! Be tokoa ny indrafo Izay naseho ho anay, Tena latsaka ao am-po : Mihainoa, ry Tompo ! Eny, famonjena re, Hahitanay aim-be, No efa vitanao tetý : Mihainoa, ry Tompo ! Aina, hery, andro koa No atolotray tokoa, Mba hahaizanay ny soa : Mihainoa, ry Tompo ! Ho Anao tsy tapitra Haja, dera, saotra koa Ho Anao mandrakizay : Mihainoa, ry Tompo ! oOoАлиллуйя Алиллуйя Šis gaiss ko elpoju ทุกครั้งฉันมอง Maria şi Marta sunt două surori Con la fede che ho Alkyşlan Allah Bapa Melindungi ʿạysẖyn lyswʿ ạ̉nt thtm by PATHIAN NIH AN ZOH LAI
Song not available - connect to internet to try again?