Raisonao, ry Tompo soa Izato asan-tananay, Fa nomenao avokoa Izay rehetra anananay Simba izahay rehetra, Sady very hatrizay, Nefa soa tsy misy fetra No novalinao anay. Hianao nanetry tena, Tsy nitandro henatra, Be fiantra ka onena Ny tra-pahoriana, Mba tsarovanay izany, Koa dia tahafinay, Nefa fiasana ihany Ao an-tananao izahay. Arosoy sy ampitaro Aminay ny teninao ; Hazavao ny olo-maro Izay tsy mahalala Anao ! Ny misaona mba vangio, Ny kamboty iantrao, Izahay izay tonga anio Mba ataovy irakao. Eny, ry Mpamonjy tsara, Amboary izahay Mba ho tonga mpanambara Ny fitianao anay ; Ary dia mba tahio Izato fikambananay, Hafanao, ampirisiho, Hamasino izahay.Святой ʿẓym hw ạlrb ạftḥ kwy̱ ạlsmwạt LUNGLAWMH SUNPAR NI Ześlij deszcz - otwórz swe niebo إني أحب الرب 复兴的时刻已经来到 راح نكون داڭقتاعىن ىيسانى، داڭقتاعىن На служении пусть Твой дух
Song not available - connect to internet to try again?