Raisonao, ry Tompo soa Izato asan-tananay, Fa nomenao avokoa Izay rehetra anananay Simba izahay rehetra, Sady very hatrizay, Nefa soa tsy misy fetra No novalinao anay. Hianao nanetry tena, Tsy nitandro henatra, Be fiantra ka onena Ny tra-pahoriana, Mba tsarovanay izany, Koa dia tahafinay, Nefa fiasana ihany Ao an-tananao izahay. Arosoy sy ampitaro Aminay ny teninao ; Hazavao ny olo-maro Izay tsy mahalala Anao ! Ny misaona mba vangio, Ny kamboty iantrao, Izahay izay tonga anio Mba ataovy irakao. Eny, ry Mpamonjy tsara, Amboary izahay Mba ho tonga mpanambara Ny fitianao anay ; Ary dia mba tahio Izato fikambananay, Hafanao, ampirisiho, Hamasino izahay.You're the God of this City Kegyelmed épp elég Вечно петь Тебе Ry Jesosy Tomponay, mamindra fo aminay فوق الصليب آه يا حبيب LET US CROWN HIM O čom tento svet sní Vedo il Signor Musíme raz všetci umrieť Иса бізбен бірге
Song not available - connect to internet to try again?