Raisonao ry Tompo soa, Ny fanatitray izao ; Hamasino avokoa Izay atolotray Anao, // Raiso re, ho Anao, Ho fanati-tsitrakao ! // He, Anao, ry Tompo soa Izay rehetra anananay Ny harena, vola koa, Taminao, Jehovah Ray, // Raiso re, ..sns. // Na dia kely aza, Tompo, Ka tsy mendrika Anao, Raiso ho entina hanompo Sy hanao ny sitrakao. // Raiso re, ..sns. // Indro, Tompo, raiso koa Tena, fo, fanahinay, Mba ho fiasana koa Eo an-tananao izahay. // Raiso re, ..sns. Ho voninahitrao. //ạlrb yhwh ạ̹lhy Гарцгүй мэт газар bạrk sẖʿbk سماوات جديدة yạrby mylạdk 主要在中国得胜 ۇلىم اۋ، قايدا ٴجۇرسىڭ rby yswʿ Tuhan, Kau Kekal Raja Hati Kami ربي يسوع علمني
Song not available - connect to internet to try again?