Ry be fiantra sy be indrafo ! Ao aminao misy soa ; Ory izahay noho ny zava- manjo Ao aminao misy soa ; Be siasia an-dalana atý, Sao tsy ho tratra ny tsara arý ; Tompo miantra, vonjeo izahay, Ao aminao misy soa ; Rahona mainty manarona anay, Ao aminao misy soa ; Mba hazavaonao izay dianay Ao aminao misy soa ; Ampaherezo hanaraka Anao, Ampaherezo hatoky Anao ; Tompo mahery, hazòny izahay, Ao aminao misy soa ; Any an-danitra izay lapanao, Ao aminao misy soa ; Ka dia matoky izahay zanakao, Ao aminao misy soa ; Aza ilaozana akory izahay, Sao dia very an-dalana indray Tompo malala, tariho izahay, Ao aminao misy soa ;Mă chemi să umblu peste ape Qudiretti Qudaıymsyń! Гюнахлъйъм Арънмая Йетмез Гюджюм Взывал Ты ко мне до моих первых слов Твоя любовь Раббимиз улуғдир Худо менинг Шохимсан Славь Его танцуй перед Царём صعبة علي Hoderaina tokoa
Song not available - connect to internet to try again?