Ry Betlehema kely ô ! Sondrian-tory ve ? Kanefa injay miseho ao Ny hazavana be. Ny toky sy ny tahotra Mihaona ankehitrio, Fa Kristy Ilay Mpanavotra No teraka anio. Ry kintana maraina ô ! Fitarik'andro soa. Torio fa tonga aty izao Ilay Mpanjaka soa ! Ka he ! ny voninahitra Ho an'Andriamanitra ! Fiadanana tsy tapitra Ho an'ny olona. Endrey, mangina fatratra Ny fampidinana Ny fitahian-danitra Am-po ny olona ! Tsy misy tabataba re, Fa horakoraka. Kanefa Kristy tonga anie Am-po mangoraka ! Rankizy hendry sy madio Tsarovy Kristy izao Fa izy tonga atý anio, Mba ho Mpamonjinao. Na misy aza ny manjo. Izao Noely izao No saino fatratra ao am-po Hampionona anao ! Ry Zaza Masina sy soa, Ry Zanak'i Maria, Ry Tomponay, Mpamonjy koa, Midina re atý. Ny feon'ny lanitra no re, Indray Noely izay, Nitondra teny soa hoe : Hianao no avotray !O scumpa zi, o scumpa zi Dona la pace Твоя любовь Яв Танръ Адъ Йюджедир! Haleluja šabalabalabambam Восход Когда на сердце очень больно Само кръвта на Исуса ადიდე უფალი ო სულო ჩემო
Song not available - connect to internet to try again?