Ry fanahy mangetaheta, Mila fitsaharana ; Aza kivy, mahareta, Sentonao hifarana ! Fa ny tenin'i Jehovah, Soa mangarangarana ; Loharano tsy miova, Ao no hasambarana. Ry tontolo mila vonjy, Te ho afa-patotra, Ao ny tenin'ny Mpamonjy Dia Kristy Mpanavotra ! Teny velona sy mamy, Feno fananarana ; Hotorina eran-tany Fa fampihavanana. Ry Mpanjakan'ny mpanjaka, Ao, tendreo ny lelako Mba hitory sy hizaka, Hampandre ny havako, Dia tahio ny Teny reny Tsy ho very hasina, Ka hamoy zato heny Ny Baiboly masina.I need a miracle Trilogia di lode دوسي يا نفسي УЛУҒВОР Սուրբ Հոգին Իջնում է Ինձ Վրա Domnul m-a întrebat adesea Elijášova modlitba Мой Спаситель أيها الرب يسوع انت نبع كل حب Сине данлап яшим
Song not available - connect to internet to try again?