Ry Fanahy Mpanazava ! Miandrandra Anao izahay ! Aza ela, fa tongava, Taomy ny fanahinay, Mba ho fantatray mazava Izay lazain'ny teninao ; Areheto lalandava Ao am-po ny afonao. Ry Jesosy ! mitenena Araka ny fombanao, Aminay izay manantena Mba handre ny teninao ; Fo marary sy manahy Mba tsaboy sy iantrao ; Ny te-hino fa tsy sahy, Anehoy ny holatrao ! Rainay, Mpanome ny soa, Mba henoy ny hatakay Ka ny tananao tsy toha Iarovinao anay ; Ny tanora mba tahio, Ny vaventy hafanao, Mba ho hitanay anio Fa atý ny tenanao !Naplň duši mou Революция Сега желая Спасе мой Tebe spievam žalmy chvál قراءة 2 - هو الطريق Наш Бог сильнее wạlận ạ̉sbḥ Asqaqsyń Худованд то абад Pujian Malam Kunyanyikan
Song not available - connect to internet to try again?