Ry fanahy ory, Azon'ny manjo ! Be ny mampahory, Aza rera-po ; Feo mamelovelo Mba henoy izao, Aza malahelo, Jeso havanao. Aza mba misento Na mamoy fo, Raha mbola eto, Misy ny manjo ; Nefa Jeso tia Tsy mandao anao, Ka mba matokia, Jeso havanao. Namanao mahantra 'Ndeha, ilazao, Jeso be fiantra No Mpamonjy izao ; Izy Tompo tia Ka mandray anao, Dia mifalia, Jeso havanao.Se Herren et folk har utkåret فرحا تفرح نفسي Oh mortal, cuando tú hagas Dicono che Я склоняюсь пред силою любви سەن رەببىم، سەن رەببىم Il mondo gira ГОСПОД Е СКАЛА МОЯ 在原有的根基上筑坛 lwlạ ạlṣlyb mn ạnạ
Song not available - connect to internet to try again?