Ry fanahy ory, Azon'ny manjo ! Be ny mampahory, Aza rera-po ; Feo mamelovelo Mba henoy izao, Aza malahelo, Jeso havanao. Aza mba misento Na mamoy fo, Raha mbola eto, Misy ny manjo ; Nefa Jeso tia Tsy mandao anao, Ka mba matokia, Jeso havanao. Namanao mahantra 'Ndeha, ilazao, Jeso be fiantra No Mpamonjy izao ; Izy Tompo tia Ka mandray anao, Dia mifalia, Jeso havanao.ᠣᠳᠣ ᠴᠤ ᠦᠷᠭᠦᠯᠵᠢ ᠮᠥᠩᠬᠡᠳ Hudoning avazini eshitiabman İsa, Göğsün Altın Kuşakla Kuşanmış Call Upon The Lord lw fkrnạ مش عايز أسمع kẖbạ̉t klạmk Raccontami يا يسوع يا غالي Мынӥськом мынӥськом Тон сьӧры
Song not available - connect to internet to try again?