Ry fitiavan'i Jesosy ! 'Zay voahombo ho anay, Ony be sy mahavonjy, Aoka ho lasanao 'zahay ! Tompo, Zanakondry tsara, Ampy re ilay ranao, Tsy helohin'ny Mpitsara 'Zay mpanota afakao. Fa misento ny fanahy, 'Zay etý an-tany 'zao ; Malahelo sy manahy, Sao ho voan'izay natao. Tompo, Zanakondry ..sns. Ny mpanota dia ho very, Raha tsy mba miova izao. Fa hahazo tena hery, Raha mino tsara Anao ! Tompo, Zanakondry ..sns. Enga anie ka mba hiely Ho an'izao tontolo izao Ilehy Ony mahafaly, Manadio sy manavao ! Tompo, Zanakondry ..sns.Аспандағы жарық күн қызарып барып батпай ма Jesús es mi Rey soberano sẖw ḥlw ạ̉kwn ạ̉nạ kbyr yqwlwạ Ry fanahy ory لجبلك ربي انا صاعد Pas toujours rose ạ̹n lm tbn ạnt ạlbyt อภัยเสมอ Холода и морозы
Song not available - connect to internet to try again?