Ry fitiavan'i Jesosy ! 'Zay voahombo ho anay, Ony be sy mahavonjy, Aoka ho lasanao 'zahay ! Tompo, Zanakondry tsara, Ampy re ilay ranao, Tsy helohin'ny Mpitsara 'Zay mpanota afakao. Fa misento ny fanahy, 'Zay etý an-tany 'zao ; Malahelo sy manahy, Sao ho voan'izay natao. Tompo, Zanakondry ..sns. Ny mpanota dia ho very, Raha tsy mba miova izao. Fa hahazo tena hery, Raha mino tsara Anao ! Tompo, Zanakondry ..sns. Enga anie ka mba hiely Ho an'izao tontolo izao Ilehy Ony mahafaly, Manadio sy manavao ! Tompo, Zanakondry ..sns.Dio è qui con noi I will follow Christ (norsk) 为不朽之国 Chwalę Cię Panie Как тяжко бывает на сердце порою الكلمة منك مش أوهام ạ̉nạ mạ ạ̉qdrsẖ ạ̉tḥml Zda křesťanem chceš býti Bénédictions خۇدا ياخشى
Song not available - connect to internet to try again?