Ry Jehovah Ray kiady Sy mpikarakara anay, Ka nitahy ny mpivady Tao Edena fahizay, Indro misy tonga koa Eto anatrehanao, Manam-pikasana soa Ho mpivady hatr'izao. Mba tahio, ry Ray mpiahy, Ny firaisany izao, Hifanaraka am-panahy Sy hiankina aminao. Ny tsodranonao fahiny Angatahinay indray, Mba hatao ankehitriny Hahatò ny hatakay ! Raha omenao zaza izy, Dia mba ampio re, Hitaizany ny ankizy Amim-pahendrena be ; Aza avela ho irery Raha tratry ny manjo, Fa tafionao ny hery Mahatanjaka ny fo. Raha ao ny andro tony Mila haharenoka, Dia taironao ny fony, Ry Mpamela heloka. Raha tapitra ny taona Efa voafetranao, Enga ka ho tafahaona Ao an-danitra aminao.Hudoyimni izlanglar odamlar yạ sydy ạmlạ̉ qlby Господь Ты мой свет и спасение моё yạ ṭfl ạlmgẖạrẗ Viitorul e o taină Add a kezed Ƴan Duniya Ma-ncred în El, orice s-ar întâmpla "SEND THE LIGHT" Я не могу сказать откуда мир в моей груди
Song not available - connect to internet to try again?