Ry Jehovah Ray kiady Sy mpikarakara anay, Ka nitahy ny mpivady Tao Edena fahizay, Indro misy tonga koa Eto anatrehanao, Manam-pikasana soa Ho mpivady hatr'izao. Mba tahio, ry Ray mpiahy, Ny firaisany izao, Hifanaraka am-panahy Sy hiankina aminao. Ny tsodranonao fahiny Angatahinay indray, Mba hatao ankehitriny Hahatò ny hatakay ! Raha omenao zaza izy, Dia mba ampio re, Hitaizany ny ankizy Amim-pahendrena be ; Aza avela ho irery Raha tratry ny manjo, Fa tafionao ny hery Mahatanjaka ny fo. Raha ao ny andro tony Mila haharenoka, Dia taironao ny fony, Ry Mpamela heloka. Raha tapitra ny taona Efa voafetranao, Enga ka ho tafahaona Ao an-danitra aminao.J'ai trouvé la paix profonde Ийем панам мениң Кружится как пушинка в Космосе Земля JESUH TUM THAN TIANG KAN TUAN LAI ดวงใจข้ารัก مسيحي حلو ويتحب نە ەكتىڭ سەن، نە ەكتىڭ سەن؟ Sen Loyiksan Glory! Glory, hallelujah! Раб Сюргюнлери Гетириндже
Song not available - connect to internet to try again?