Ry Jehovah, Ray Tsitoha Vory eto izahay, Ray hatramin'ny taloha, Mihainoa ny vavakay, // Mitsangàna // Eto afovoanay. Andro fampakaram-bady, Fifaliam-be izao ; Hianao no mampivady Raha voatendrinao ; // Vady hendry // Lova avy aminao. Ry Jehovah Ray malala ! Mba tezao ireo ho soa, Samy tsy hisalasala, Fa hifankatia tokoa ; // Hamasino // Mba ho olonao ireo. Ho fanahy mifandanja Sady tsy ho toy ny roa, Ho mpivady mifanaja Sady mifamaly soa ; // Akambano // Mba ho fo iray tokoa.เนื้อคู่พระเจ้าสร้าง Pro Krista v boj Plus haut, plus haut! ПЕЙ АЛЕЛУЯ НА ХРИСТА เชิญมาเชิญมาอย่าช้า كل مفتوح العينين Súcit nekonečný ىزدەگىلە اسمان پادىشالىعىن Sú chvíle, v ktorých cítim pevnú zem اداسقان ادامعا
Song not available - connect to internet to try again?