Ry Jehovah, Ray Tsitoha Vory eto izahay, Ray hatramin'ny taloha, Mihainoa ny vavakay, // Mitsangàna // Eto afovoanay. Andro fampakaram-bady, Fifaliam-be izao ; Hianao no mampivady Raha voatendrinao ; // Vady hendry // Lova avy aminao. Ry Jehovah Ray malala ! Mba tezao ireo ho soa, Samy tsy hisalasala, Fa hifankatia tokoa ; // Hamasino // Mba ho olonao ireo. Ho fanahy mifandanja Sady tsy ho toy ny roa, Ho mpivady mifanaja Sady mifamaly soa ; // Akambano // Mba ho fo iray tokoa.Итак расстанемся с тобой Indelebile Sen Loyiksan Жашыл жайлоого мени жаясың ạ̉rfʿwạ ʿywnkm ИЛАҺИ СӘНСИЗ ҺӘЈАТ Блуждали все как овцы Quanti anni Můj Bůh je můj štít 传道
Song not available - connect to internet to try again?