Ry Jehovah Tompon'aina, O, tahio ny taninay ! Mba fohazy, re ny saina Sy fanahinay hahay Mankatò sy mankalaza Ny Anaranao, Mba ho fantatray mazava Ny fitiavanao. Iantranao, ry Jesosy, Hazavao ny Nosinay, Ka ny fon'ny Malagasy Diovy re ka mba ovay, Tsy hanompo sampy intsony Fa hazava re, Ka ho sitraky ny fony Ny ho masina e ! O, tahio ny Faritany Mba handray ny teninao Na ambony na ambany Mba tsarovy, iantrao ! Ny mpitory mba iraho, Ka hiely anie, Omeo hery, hatanjaho Hahavita be ! O, Jehovah, Ray mahery, Sakambino izahay, Eny, Hianao irery No mba hany tokinay ; Ka ny ratsy mba sakano Tsy hanimba anay, Fa ny tsara no tohano Hiadananay. Ao koa ny mpanao lalàna Mba toroy ny marina, Ireo manam-pahefana Omeonao sain-dalina ! Ka ny tany mba ampio Handry fahizay ! O, arovy sy tahio Ny mpitondra anay ! Indreo ny isan-tokantrano Mba tsidiho, hafanao, Ka ny zanakay tantano Sy trotroy ho olonao ! Eny, Tompo, mandrosoa, Anjakao izahay Ka onenonao tokoa Izao ny Nosinay.ىردايمىن اللىلۇييا За любовью полетели птицы Халоскор келди Mai Ceto Na О братья стойте верно Resuscitami (Rimuovi la mia pietra) Ježiši, drahý poklad môj In segreto 'Ku B'rikan Bagimu Tubuhku, Darahku تسبيح قبل الخدمة - فريق الخبر السار
Song not available - connect to internet to try again?