Ry Jehovah Tompo soa ! Vory eto izahay, Ka mifaly avokoa, Raisonao ny vavakay ! Andro fitokanan-trano, Fifaliam-be izao, Ampidino ny tsodrano Avy ao an-danitrao. Ry Jesosy ! mandrosoa Fa Anao ny tranonay, Hiderana Anao tokoa, Ka henoy ny hatakay ! Nefa tsy ny vatan-trano No honenanao izao, Fa ny fo no itokano, Itoero, hafanao. Ry Fanahy Mpanazava ! Anjakao tokoa izahay, Dia hazava lalandava, Ny fanahin-janakao ; Ka fenoy fanahy mino Ho tempolinao tokoa, Hatrizao dia hamasino Ka hitombo sy hanoa.В Тебе нашла Спаситель Покой душа моя Clap Your Hands all ye people Qudaıdyń Rýhy bizdi toltyrǵanda Lo stolto Рəбб Исам, лајигсəн, лајигсəн иззəтлəнмəјə Чох ҝүҹлү Воздам хвалу Két ember eléd lép Gesù vive in me Макдисинде ел ачарак
Song not available - connect to internet to try again?