Ry Jehovah Tompo soa ! Vory eto izahay, Ka mifaly avokoa, Raisonao ny vavakay ! Andro fitokanan-trano, Fifaliam-be izao, Ampidino ny tsodrano Avy ao an-danitrao. Ry Jesosy ! mandrosoa Fa Anao ny tranonay, Hiderana Anao tokoa, Ka henoy ny hatakay ! Nefa tsy ny vatan-trano No honenanao izao, Fa ny fo no itokano, Itoero, hafanao. Ry Fanahy Mpanazava ! Anjakao tokoa izahay, Dia hazava lalandava, Ny fanahin-janakao ; Ka fenoy fanahy mino Ho tempolinao tokoa, Hatrizao dia hamasino Ka hitombo sy hanoa.Todo en min mudou О, Отец Rama'da Bir Ses Ачтън капъмъ Сана Ей Раб Vdaka za toto nove rano Ya Rəbb İsam تأمل 1 Kriste, obranca zboru krížového, zachráň, zastaň sa mocne ľudu svojho Nech chvála stúpa Priateľ môj
Song not available - connect to internet to try again?