Ry Jeso be fitia ! Tariho izahay Mba tsy haniasia, Fa hiaraka Aminao, Indrisy ! ela loatra No nijanonanay Nanaram-po nihoatra Ny sitrapon'ny Ray. Ry Tompo ô ! miarova Ny fiainanay etý, Izay fohy, mora miova, Fa tsy toy ny arý, 'Zay ianteherana eto Mandalo avokoa ; Ny fo re no mba ento Hikambana Aminao. Tariho hahalala Ny tianao hatao, Ka tsy hisalasala Handà izay halanao ; Mandatsaka ao an-tsaina Ny soa vitanao, Ka dia hikely aina Hanao ny sitrakao.Чогулдук биз ар аймактан Теңир үйүнө In fata Regelui ne smerim Radostne tlieskajme chválu За всичко Ти благодаря Փեսան Գալիս Է Պատրաստվիր Всего меня Иисус меняет О құдай жаратты ғой аспан жерді Nyanyian Malam Yang Teduh Преклоняясь пред Тобою Desconocido es el camino
Song not available - connect to internet to try again?