Ry Jeso loharanon'aina, Izay foto-pitiavana ! Ny fonay toy ny tany maina Fenoy fitiavana ! Aidino ao ny tena aina Mba hampifankatia anay, Fandrao ho tonga very maina Ny fitiavanao anay. Ny hasomparana levony, Soloy fitiavana ; Ny lolompo ampijanony Ovay ho fihavanana ; Ny fo malaky mankahala Ataovy tia namana ; Ampianaro hahalala Ny didim-pitiavana. Toroy sy ampahafantaro Ny fitiavanao izahay ; Mpiandry tsara ô, velaro Ny fonao mba ho hitanay ; Mba ho tarafiny tokoa Ny fonay mbola maizina, Ka samy hifanisy soa Sy hifamela heloka.Padamu, Tuhanku, Kubawa Dosaku Сіяч من غيرك في ذي Как вожделенны жилища Твои I'm glad I'm one of them Ты готов ли на бой за Христа Йени бир Езги بليلة برد Там за горизонтом Now that you're Near
Song not available - connect to internet to try again?