Ry Jeso ô ! Hianao no mahavonjy Izay rehetra hiankina aminao ; Tonga tatý hitady sy hamonjy Izay mpanota very Hianao. He ! ry mpanota very atý ! Ô ! mankanesa ho any aminy. Na dia Zana-Janahary aza, Na dia Tompo aza Hianao, Tsy mba nitandro hery aman-daza, Tonga olona ory Hianao He ! ry mpanota ..sns. Tamin'ny dianao nanaovan- tsoa, Tsy nahalala sasatra Hianao ; Fa Hianao tsy nanana tokoa 'Zay nametrahanao ny lohanao He ! ry mpanota ..sns. Dia nolatsaina sy nalam- baraka Sy novonoin'olon-dozabe, Ka dia maty Hianao Mpanjaka Ho fanavotana olo-maro-be He ! ry mpanota ..sns. Ny fasanao nambenan'ny mahery, Nefa tsy ela tao ny Tomponay, Velona indray hamonjy olom-bery, Velon-kanao fifonan-ko anay. He ! ry mpanota ..sns.Boh náš je láska Հեռացել Եմ Մոռացել Եմ Слово стало Плотью 우리는 기대하고 기도하며 기다리네 C'è di più Сениң хүзириң ربي جميل Քամու Պես Երկնքից Жди Меня Come Let Us Worship
Song not available - connect to internet to try again?