Ry Jeso ô, Mpanjakanay, Hadinonao va izahay No tsy omenao faingana Ny rano mahavelona ? He, maina sy mangentana Sy ivesarana entana, Ka mampiferinaina anay Ny efitra onenanay. Tsy hitanao ve, ry Tompo ô, Fa valaka sy rera-po, Malain-kanaraka Anao Ny olom-boafidinao ? Aidino ny Fanahinao Sy fifaliam-po vaovao ; Ny ranon'aina anie Hatondrakao ny tany re ! Reseo ny fahavalonay, Omeo rariny izahay Tapahonao ny gadranay, Ampiadano izahay !گۇه بْدَه مْن ạqtrb سەن، ٴتاڭىرىم، كۇمىستەن دە اسىل Jeg vet intet om i morgen zhǔ chà qiǎn wǒ Glory to His name ymkn ywm mạlqạsẖ ạlạ̉kẖ Escucha, oh Dios, la oración Chciałbym Jezusa uczniem być De bandt min Herres hender
Song not available - connect to internet to try again?