Ry Jeso ô ! ry Jeso ! Ny foko lazanao, Ka Hianao irery No Tompoko izao ; Tsy manan-tahotra aho, Hianao no aroko ; Ny lalako mazava, Hianao faniloko. Mitaona dia mitaona Ny zava-poana ; Ankoso-bolamena Mamirampiratra ; Anefa ry Mpamonjy ! Izay ampianao Dia haharesy tsara Izao tontolo izao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ny nofoko malemy, Ka be ny sitrapo ; Be koa ny fitsapana Mahazo ahy izao ; Anefa Jeso tia ! Raha re ny feonao, Mahazo hery aho Hanao ny sitrakao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ry Jeso ô ! ry Jeso ! Mba tovy amiko Ilay teny maharavo Hoe "Sakaizako" ; Iriko lalandava Hiaraka Aminao, Mba hahitako tsara Ny fitiavanao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ny dianao jereko Etý an-dàlana, Ambara-pahatratra Ilay fitsaharana, Omeo hery aho Hanompo tsara Anao ; Fa fantatrao, ry Jeso ! Ny foko lazanao. Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.I give you my heart Tu es bon Jó atyám nékem Addu'ar Ubangiji Týyldyń Táńirim Sen bir pák qyzdan علشان باحبك Reach Out, Touch The Lord ạ̹lhy ḥbk frḥty إلى مين La ragione del mio canto
Song not available - connect to internet to try again?