Ry Jeso ô ! ry Jeso ! Ny foko lazanao, Ka Hianao irery No Tompoko izao ; Tsy manan-tahotra aho, Hianao no aroko ; Ny lalako mazava, Hianao faniloko. Mitaona dia mitaona Ny zava-poana ; Ankoso-bolamena Mamirampiratra ; Anefa ry Mpamonjy ! Izay ampianao Dia haharesy tsara Izao tontolo izao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ny nofoko malemy, Ka be ny sitrapo ; Be koa ny fitsapana Mahazo ahy izao ; Anefa Jeso tia ! Raha re ny feonao, Mahazo hery aho Hanao ny sitrakao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ry Jeso ô ! ry Jeso ! Mba tovy amiko Ilay teny maharavo Hoe "Sakaizako" ; Iriko lalandava Hiaraka Aminao, Mba hahitako tsara Ny fitiavanao, Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns. Ny dianao jereko Etý an-dàlana, Ambara-pahatratra Ilay fitsaharana, Omeo hery aho Hanompo tsara Anao ; Fa fantatrao, ry Jeso ! Ny foko lazanao. Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.Z hlbín srdca skrúšeného من لي سواك هنا Práve dnes je chváliť Pána čas Herren skal stride for dere اُل تانگری القلب كفايته واحد Engel bringen frohe Kunde Среди Шторма Yeshoua Ha Mahshyah - medley Övgü Ve Yücelik
Song not available - connect to internet to try again?