Ry Jeso ô ! Sakaiza Mpamonjy tia anay ! Raha mbola mianjera Ny rian-drano be ; Mifofofofo mafy Ny rivo-doza be, Vimbino izahay re, Mba tsy ho faty ao. Arovy izahay re, Ry Jeso Tomponay ! Ambara-pahalasan' Ny loza izay manjo ; Dia ento izahay re Ho any aminao, Ka raiso ny fanahy Ho faly aminao. Kanefa raha mbola Hijanona izahay Atý ambony tany Ka malahelo fo, Na misy fahavalo Miady aminay, Avia Jeso Tompo, Ampio ny olonao ! Tsy tambonay isaina Ny olona aminao ; Hiadana tokoa Izay horaisinao ; Fa Jeso no Sakaiza Anjely maro be No hiaraka aminay ao An-dapa rahatrizay.Sambatra izay voafidy ho mpiasanao Ya Allah, Muka Shuka Iri A Gonarmu Alles was atmet, lobe den Herrn كل يوم كل صبح ʿạyz ạ̉sẖwf ạlnwr Di gloria in gloria АЗ И ТАТКО Ҳайратдаман Бар болған Иисус к Тебе в тоске взываю я
Song not available - connect to internet to try again?