Ry Jeso Tompo tsara ô ! Tsy azoko valiana Izato fitiavanao Manafa-pahoriana, He, sambatra aho, Tompo ô ! Fa manana Anao izao, Izay tsy mba mety sosotra, Na faly hampitahotra Ka Hianao no tokiko Sy foto-pifaliako. He, isam-pahoriana Izay niantsoako Anao, Dia efa novaliana Ny hataka izay natao, Ny heloko navelanao, Ny foko nohavaozinao, Ny loza nosakananao, Ny ngidiny nesorinao; Ny aim-baovao iainako, Ka velona ny heriko. Ka amin'izao sisa izao, Mikasa aho Tompo ô ! Hanao izay nohafaranao, Hanaraka Anao am-po. Satana dia holaviko, Hafoiko izao tontolo izao, Rafesiko ny nofoko, Fa Hianao, Mpamonjy ô ! Mpanavotra tsy foiko, No sisa hotompoiko.Amore Мы песню воспоём которой нет конца Благодарю Тебя Христос Regier als König hier وهنفرح برضو هنفرح yswʿ sw̉l qlby ạ̹nt I'd Rather Have Jesus Lásko věčná, čistá Начни искать Господа أنت ضيائي
Song not available - connect to internet to try again?