Ry Jeso Tompo tsara ô ! Tsy azoko valiana Izato fitiavanao Manafa-pahoriana, He, sambatra aho, Tompo ô ! Fa manana Anao izao, Izay tsy mba mety sosotra, Na faly hampitahotra Ka Hianao no tokiko Sy foto-pifaliako. He, isam-pahoriana Izay niantsoako Anao, Dia efa novaliana Ny hataka izay natao, Ny heloko navelanao, Ny foko nohavaozinao, Ny loza nosakananao, Ny ngidiny nesorinao; Ny aim-baovao iainako, Ka velona ny heriko. Ka amin'izao sisa izao, Mikasa aho Tompo ô ! Hanao izay nohafaranao, Hanaraka Anao am-po. Satana dia holaviko, Hafoiko izao tontolo izao, Rafesiko ny nofoko, Fa Hianao, Mpamonjy ô ! Mpanavotra tsy foiko, No sisa hotompoiko.Мы идем по дороге в небо Вечная любовь Дверь в небеса شق السماء Quando insieme Camiñando eu vou Toute la terre mạ ạ̉mjdk mạ ạ̉ʿẓmk Yahweh Will Manifest Himself Storni
Song not available - connect to internet to try again?