Ry Jesosy, Izay Mpiahy, Mba henoy izao ; Raha misy mamely ahy, Mba reseonao ! Ry Jesosy, mba henoy izao : Raha misy mahory ahy, Mba tsarovinao Raha avy ny devoloy Ka mandrahona, Raha ny nofo manangoly Sy manintona. Ry Jesosy, ..sns. Be ny fahavalo fetsy Mampahory izao, Izay dia mora resy, Ka vonjeonao ! Ry Jesosy, ..sns. Raha misalasala aho, Mba toroy ny to ! Ary raha mitalaho, Amindraonao fo ! Ry Jesosy, ..sns. Miangavy mafy aho, Ry Mpamonjy ô ! Mba vonoy ny fahotako Amin'ny ranao. Ry Jesosy, ..sns. Raha tapitra ny andro Ivelomako, Hazavao, ry Masoandro, Ao am-pasako, Ry Jesosy, ..sns.بىزگە بۇل كۇندى، قۇداي جاراتقان ВЕЛИЧЕСТВЕН БОГ يا مليك البر Bye and bye we'll see the King هست و نیست Я знаю, в кого я вірю Ныне отпускаешь раба Твоего Я прошу qlby wlḥmy hmạ yhtfạn اق قالپاق كىيگەندەي، توولورۇ قىرعىزدىن،
Song not available - connect to internet to try again?