Ry Jesosy, Izay Mpiahy, Mba henoy izao ; Raha misy mamely ahy, Mba reseonao ! Ry Jesosy, mba henoy izao : Raha misy mahory ahy, Mba tsarovinao Raha avy ny devoloy Ka mandrahona, Raha ny nofo manangoly Sy manintona. Ry Jesosy, ..sns. Be ny fahavalo fetsy Mampahory izao, Izay dia mora resy, Ka vonjeonao ! Ry Jesosy, ..sns. Raha misalasala aho, Mba toroy ny to ! Ary raha mitalaho, Amindraonao fo ! Ry Jesosy, ..sns. Miangavy mafy aho, Ry Mpamonjy ô ! Mba vonoy ny fahotako Amin'ny ranao. Ry Jesosy, ..sns. Raha tapitra ny andro Ivelomako, Hazavao, ry Masoandro, Ao am-pasako, Ry Jesosy, ..sns.To Him Be Glory Dziękuj Mu Отвъд Йорданската река Mi Cristo vive (BCN) 찬양하라 내 영혼아 Veľmi milujem Ťa, Pane Ես Քեզ սիրում եմ,իմ Տեր Աստված Yüz Yüze Kurtarıcımla Сазь улэлэ сэзь луэлэ Победил
Song not available - connect to internet to try again?