Ry Jesosy ô ! indreto Izahay nasainao eto Amin'ny latabatrao, Mba tolory mofon'aina, O ! omeo ranon'aina, Dia ny ra aman-tenanao. O ! ry Loharanon'aiko, Tonga aho, fa ilaiko Hianao Mpamonjiko, Raiso ka diovy aho, Atafio izay mitalaho Ny fahamarinanao ! Ry Mpiandry tsara indrindra, Taomy aho mba hifindra Ao am-balan'ondrinao ; Mamonje ka mitahia Ireto ondrinao nania, Ento any Aminao ! O ! ry Fahazavan'ny saiko Sady tanjaky ny aiko, Tonga aho ka vonjeo ; Noana ka mitaraina, Mba vokiso mofon'aina, Rano velona omeo ! Indro, miankohoka aho, Tompo ô ! ka mitalaho Eto anatrehanao ; Aza mba manary ahy, Izay misento sy manahy, Mamelà ny heloko ! Ry Mpisolo ny mpanota, Izay nandoa ny tambin'ota, Latsa-dra ny tenanao, Raisiko am-panajana, Fa nataonao fanasana Ireto zava-masinao.Gör O'nun Yüce Sevgisini نعلي مجدك يا مالك الشعوب أريد فقط أن أشكرك Hai Dengar Tembang Malaikat Kiitä Jeesustasi Бахт излама ўзга макондан Xayolimdasan yuragimdasan நான் நிற்கும் பூமி நம்புவேன் என் இயேசு ஒருவரை ạ̹n knt tḥb yswʿ Guardami
Song not available - connect to internet to try again?