Ry Jesosy ô ! indreto Izahay nasainao eto Amin'ny latabatrao, Mba tolory mofon'aina, O ! omeo ranon'aina, Dia ny ra aman-tenanao. O ! ry Loharanon'aiko, Tonga aho, fa ilaiko Hianao Mpamonjiko, Raiso ka diovy aho, Atafio izay mitalaho Ny fahamarinanao ! Ry Mpiandry tsara indrindra, Taomy aho mba hifindra Ao am-balan'ondrinao ; Mamonje ka mitahia Ireto ondrinao nania, Ento any Aminao ! O ! ry Fahazavan'ny saiko Sady tanjaky ny aiko, Tonga aho ka vonjeo ; Noana ka mitaraina, Mba vokiso mofon'aina, Rano velona omeo ! Indro, miankohoka aho, Tompo ô ! ka mitalaho Eto anatrehanao ; Aza mba manary ahy, Izay misento sy manahy, Mamelà ny heloko ! Ry Mpisolo ny mpanota, Izay nandoa ny tambin'ota, Latsa-dra ny tenanao, Raisiko am-panajana, Fa nataonao fanasana Ireto zava-masinao.ạ̉tyt ạ̹ly̱ ạlʿạlm Йюдже Танръм бинлердже كل العمر معاك مضمون Душо, моя, душо моя ปรารถนาพระองค์ Si vous saviez quel Sauveur je possède Լսիր,Օ Իսրայել Ром 16:19 Однажды утром 中国的门开了
Song not available - connect to internet to try again?