Ry Jesosy Tompo tsara, Ry Mpamonjy ô ! Sambatra aho, manan-jara, Manana Anao ; Fa na maro ny mpandrafy Ta-hamely ahy mafy Hianao mahay manafy Hery ny Anao. Be ny manodidina ahy Efa lasana ; Manakaiky, mampanahy, Re ny fasana ; Nefa, ry Mpamonjy soa, Tena sitrakao tokoa Ny hitantana ahy koa Ao an-dalana. Eny, izaho manantena, Ry Mpamonjy ô ! Fa hahazo famonjena Any Aminao, Raha ilaozako ny tany, Izaho tsy mba hitomany, Fa hiakatra hankany Anatrehanao.يسوع قرب يجينا تو نغمۀ قلب منی A SOLDIER OF THE CROSS Лайък WHEN THE BRIDEGROOM COMES "SEND THE LIGHT" Bağışla Te chem din adânc Doamne auzi glasul meu Tanrı bizi o kadar çok sevdiki Я Раб сени йюджелтирим
Song not available - connect to internet to try again?