Ry miaramila ! mandrosoa izao, Kristy Kapiteny mialoha anao ; Ao aloha tafika, loza, ratra be, Fitsaharana tsy misy, misikina re : Ry miaramila ! mandrosoa izao, Kristy Kapiteny mialoha anao ; Any lehy ratsy no manotrika, Any ny tsipìka no milatsaka; Tano ny finoana ho ampinganao, Entonao ho fandresena izao rehetra izao : Ry miaramila ! ..sns. Aza miambohona miherika, Ao an-tratranao ny fiarovana ; Aza mba matahotra, fa sahia, fandrao Raha tsy mandresy, dia ho resy hianao ; Ry miaramila ! ..sns. Dia mandrosoa hianao izao, Ka miraisa dia aminay ho ao ; Milofosa fatratra, aza ketraka « Miadia ny ady tsaran'ny Finoana » : Ry miaramila ! ..sns. Kristy Kapiteny tapitra ohatra, Izy no mpiaro ny mpanafika ; Miankìna Aminy mafy hianao Ka aza mba ny tenanao no itokianao Ry miaramila ! ..sns.Shi Wanda Zai Daure da Duk Wahalai bạlʿz ạ̉mr tā shì wǒ men de ā bà Enga ka hanana elatra soa Моето състояние في نعمة الآب الغني ạsmʿwny yạạ̉ṣḥạby جوه كل قلب خاطي 죄에서 자유를 얻게 함은 Израилийн Бурханыг магтъя
Song not available - connect to internet to try again?