Ry mpanota ! mihevera, Fa miantso Kristy izao : Izy ta-handray mpanota Manatòna hianao : // Mihainoa, mihainoa, Ka ario ny ditranao // Ry mpanota ! miverena Ao am-balan'i Jeso ; Aza dia mirenireny, Sao iharan-doza izao // O ! modia, O ! modia, Ialao ny ditranao // Ry mpanota ! manatòna Dieny misy antso izao Fa ho avy ny fotoana Mbola hanenenanao : // O ! avia, O ! avia, Izao ankehitriny izao // Ry mpanota ! matokia, Tompo mora fo Jeso ; Izy dia tena tia Izay mibebaka tokoa : // Matokia ! matokia, Mibebaha re izao // Ry Sakaizan'ny mpanota, Ento aho ho Anao ; He ! ny tenako rehetra No atolotro izao : // Raisonao re, raisonao re, Ho fanati-tsitrakao //qd frḥ qlby Unser Gott ist ein Mächtiger Gott มีธารน้ำพุเต็มด้วยโลหิต There Is A Fountain Jezus kocha małe dzieci Yüzülme Allahım, Allahım, Allahım yòng xiàng shén líng gē chàng يا رب أنت وحدك Sen Yücesin Cu mulţumire vin în faţa Ta Isuse
Song not available - connect to internet to try again?