Ry mpanota ! mihevera, Fa miantso Kristy izao : Izy ta-handray mpanota Manatòna hianao : // Mihainoa, mihainoa, Ka ario ny ditranao // Ry mpanota ! miverena Ao am-balan'i Jeso ; Aza dia mirenireny, Sao iharan-doza izao // O ! modia, O ! modia, Ialao ny ditranao // Ry mpanota ! manatòna Dieny misy antso izao Fa ho avy ny fotoana Mbola hanenenanao : // O ! avia, O ! avia, Izao ankehitriny izao // Ry mpanota ! matokia, Tompo mora fo Jeso ; Izy dia tena tia Izay mibebaka tokoa : // Matokia ! matokia, Mibebaha re izao // Ry Sakaizan'ny mpanota, Ento aho ho Anao ; He ! ny tenako rehetra No atolotro izao : // Raisonao re, raisonao re, Ho fanati-tsitrakao //THERE IS A NAME I LOVE TO HEAR Nebeské Slovo, ktoré si vyšlo z Otca láskavosti, ó žehnaj ľud svoj Non Ti offrirò ciò che non mi costa nulla Voici le jour Mira el Infante puesto en un pesebre О, душа Eljött a nap كل يوم В моем сердце горит огонь Гелин, Раб'бе Езги Сьойлейелим!
Song not available - connect to internet to try again?