Ry mpanota ! ry mpanota ! Raiso Jeso Tomponao, Aza mba misalasala, Manatòna Azy izao. Ka ekeo ny feon'i Jeso Izay nifona ho anao Teo ambony hazo avo Maty Izy ho anao. Indro Jeso, ry mpanota ! Faly hohatoninao, Sady Tompo tsy mandatsa, Fa mamindra fo tokoa, Ka miteny moramora Ta-hamela heloka : Manatòna, ry mpanota ! Mba handray ny avotrao. Ry mpanota ! ry mpanota ! Misy vonjy ho anao, Ka toneo ny alahelo Mampahory fo anao ; Aza mety resin'ota, Fa jereo ny Tomponao ; Izy no handresy tsara Izay miady aminao. Hianao tsy manan-toky Ho mpamela heloka, Afa-tsy ny Tompo Jeso, Ilay nanavotra aina anao ; Ka aza mba misalasala, Ry mpanota very ô ! Fa azonao ny lova tsara, Raiso Jeso Tomponao.Buď slaven, lásky zdroji Взгляни вокруг какая красота Елате всички днес Издигаме Те Kutsal, Kutsal Rab'dir Қуддус Зная какво ти чувстваш En La Cruz Rab Sevginin Işığı Parlıyor تأمل 2
Song not available - connect to internet to try again?