Ry mpanota ! ry mpanota ! Raiso Jeso Tomponao, Aza mba misalasala, Manatòna Azy izao. Ka ekeo ny feon'i Jeso Izay nifona ho anao Teo ambony hazo avo Maty Izy ho anao. Indro Jeso, ry mpanota ! Faly hohatoninao, Sady Tompo tsy mandatsa, Fa mamindra fo tokoa, Ka miteny moramora Ta-hamela heloka : Manatòna, ry mpanota ! Mba handray ny avotrao. Ry mpanota ! ry mpanota ! Misy vonjy ho anao, Ka toneo ny alahelo Mampahory fo anao ; Aza mety resin'ota, Fa jereo ny Tomponao ; Izy no handresy tsara Izay miady aminao. Hianao tsy manan-toky Ho mpamela heloka, Afa-tsy ny Tompo Jeso, Ilay nanavotra aina anao ; Ka aza mba misalasala, Ry mpanota very ô ! Fa azonao ny lova tsara, Raiso Jeso Tomponao.İçimizdeki Çok Daha Güçlüdür Святые райские аллеи Бизим коктеки Бабамыз shèng líng de fēng shèng líng de yǔ Din Godhet En un mundo de maldad ۉيدۅن كەتىپ، باارىن كەچىپ، الىسقا كەتتىڭ 各各他的路上 Руки Христа это руки любви Gapuramu Lapangkanlah
Song not available - connect to internet to try again?