Ry namako mahantra Manaram-po izao ! Ny ota no mandratra, Sao simba hianao ; Izay anao rehetra Ho lasa avokoa, Fa tsy mba misy fetra, Ho levona avokoa. Ny Tompo be fiantra Mangora-po tokoa Mahita anao mahantra Fa tsy mahita soa ; Natolony ny ainy Ho vidin'ny ainao, Nalatsany ny rany Mba hanadio anao. Ny Tompo malahelo, Tsy foiny hianao, Ny feo mamelovelo Mibitsika aminao ; Onena anao ny fony Ka mitaraina hoe : Ny ota ajanòny, Mba ajanòny re !Այնժամ Գոչենք A celui qui nous a lavés Бар біздің Құдай ạ̉nạ lmạ dkẖl qlby yswʿ yạ mw̉mn ṣly mʿnạ 主啊你有永生之道 Pathien Galthuom Севги Асла Сон Булмаз أستطيع كل شيء You are my hiding place
Song not available - connect to internet to try again?