Ry olom-bery, tsy ho very Foana ny androanao, Raha 'mby an-tsainao, fa ny ainao Tsy fanananao, Ny hery misy, nefa indrisy, Resim-pahalainana ! Atý an-tany mora lany Ny fiainana. Mba mazotoa, ry havako, Ka aoka hoheverinao Ny andro lasa, sao ny asa Tsy ho vitanao. Ka manenena, miambena, Mivavaha hianao ! Efao ny ady, ao ny kiady Voninahitrao. Mba ahitsio ankehitrio Ny dia sisa hatrizao, Fa be ny simban'ny mpanimba Ka migadra izao. Sakaiza, ô fantaronao, Fa nijalian'ny Tomponao Ny fahotana tsy ialana, Ilalaovanao. Dia mba ampio sy tahio Izahay, ry Tomponay, Fa mba hiady ka hitady Vonjy ho anay. Homenao soa ny manoa Amin'ny fotoanao. O, ry Mpanjaka avia haka Ny malalanao, Ny olonao dia te hankao An- danitra fonenanao. Ry Jeso tia, mba avia Faingana izao !Immagina Мәңгіге Иса мадақталсын, Оның атына даңқ келсін mạ ạḥabã msạknk KA NU THLACAM THEIH THAN KA DUH Maravilloso Es El Gran Amor أنا راض يا رب بأحكامك Angkat Hatimu, Pandanglah Father Pour porter le glaive باڤِه مَه یِه لْه أزمانان
Song not available - connect to internet to try again?