Ry olon-kanao fanekena masina, Misaora ny Tompo, fa ny sitrapony No nampikambana Amim-pitiavana ; Ka dia tsy olona roa intsony, Ny tany Edena tsahivina indray. Ny fahamarinan' Andriamanitra No haingo manendrika ny tokantrano Ho toy ny lanitra Mamirapiratra. Ry mpivady marina, Kristy no tano Handamina ny tokantrano vaovao. Ny fahasoavan'Andriamanitra No andry manohana ny tokantrano Ka mampisandratra Ny te ho sambatra, Izay ankohonanareo atsangano Hidera ny famindrampo lehibe. Ny fanaky ny tokantrano masina, Manoatra be noho ny volamena ; Ny fivavahana Sy ny finoana, Fisaorana sy fiderana homena Marain-tsy hariva ny Mpamonjy e ! Jehovah Mpitana ny fanekena ô ! Tahio ny toky nomeny ho mafy, Ho masina sy to, Ho marina am-po ; Ka izy handresy izay ta-handrafy ; Ho azy ny lova ho mandrakizay.Иегова Рафа В греховной долине Духовной пустыне Славьте Иисуса Славьте Иисуса Свершилось чудо из чудес Tanrımız Sevgi Tanrısı Já ti věřím Ti ringrazio A MAN A SUNG Strigaţi toţi de bucurie către Domnul Mare Альфа и Омега
Song not available - connect to internet to try again?