Ry olon-kanao fanekena masina, Misaora ny Tompo, fa ny sitrapony No nampikambana Amim-pitiavana ; Ka dia tsy olona roa intsony, Ny tany Edena tsahivina indray. Ny fahamarinan' Andriamanitra No haingo manendrika ny tokantrano Ho toy ny lanitra Mamirapiratra. Ry mpivady marina, Kristy no tano Handamina ny tokantrano vaovao. Ny fahasoavan'Andriamanitra No andry manohana ny tokantrano Ka mampisandratra Ny te ho sambatra, Izay ankohonanareo atsangano Hidera ny famindrampo lehibe. Ny fanaky ny tokantrano masina, Manoatra be noho ny volamena ; Ny fivavahana Sy ny finoana, Fisaorana sy fiderana homena Marain-tsy hariva ny Mpamonjy e ! Jehovah Mpitana ny fanekena ô ! Tahio ny toky nomeny ho mafy, Ho masina sy to, Ho marina am-po ; Ka izy handresy izay ta-handrafy ; Ho azy ny lova ho mandrakizay.Kde je Duch tvůj Тоской объятые с ароматами Fin dall'eternità rnm انا عمري ما هنت عليك Jak błogo zbawionym być Tuhan, Kasihani Usati di me Baruch Ha Ba Jeso Sakaizanay
Song not available - connect to internet to try again?