Ry olona mbola tamana amin-dratsy, Hevero ny loza hihatra aminao Fa indro Satana izay lohan'ny ratsy Mandefa tsipika hamono anao. Kanefa ny Tompo izay Zanahary No tonga hamonjy, fa tsy mba manary ; Avia, ry olo-mahantra, hihary Ny tena harena tsy mety ho lo. Jesosy mamoha anao, ry matory, Fa Izy maniry hitarika anao, Ilaozy ny ota, fa he, mampahory, Henoy ny feo miantso anao ! Jereo Ilay kintana, Izay tsy ho rava, Fa indro ny aizina dia hisava ; Araho Jesosy, fa tena mazava, Izay hanazava tokoa anao. Ny Tompo mamelona ny efa maty, Ka aoka hitsangana re hianao ! Fadio tokoa izay mahafaty, Katsaho indrindra ny aina vaovao ! Jesosy Mpamonjy no mba itafio, Ka dia tandremo fa lamba madio ! Ry olo-mahantra mba raiso anio Jesosy, Izay mahavonjy anao. Jesosy Mpamonjy mitondra ny teny Izay hahavelona mandrakizay ; Ka dia henoy ny toky nomeny, Ry olo-maniry ho amin'ny Ray ! Fainganà tokoa, ry efa mifoha Fa indro ny lanitra efa mivoha, Ka faly indrindra ny Tompo tsitoha Hitsena ny zanany velona indray.Mă predau cu totul Doamne Či neviete وإنت معايا Муқәддәс Роһ роһландурғанда Sun sanas, Herra Haleluja, náš Boh nám dal tento čas جان۔دۇنيەم يەمدى ماداقتايدى Now the Light Has Gone Away Our God Is an Awesome God Búkil armanym meniń
Song not available - connect to internet to try again?