Ry olona mbola tamana amin-dratsy, Hevero ny loza hihatra aminao Fa indro Satana izay lohan'ny ratsy Mandefa tsipika hamono anao. Kanefa ny Tompo izay Zanahary No tonga hamonjy, fa tsy mba manary ; Avia, ry olo-mahantra, hihary Ny tena harena tsy mety ho lo. Jesosy mamoha anao, ry matory, Fa Izy maniry hitarika anao, Ilaozy ny ota, fa he, mampahory, Henoy ny feo miantso anao ! Jereo Ilay kintana, Izay tsy ho rava, Fa indro ny aizina dia hisava ; Araho Jesosy, fa tena mazava, Izay hanazava tokoa anao. Ny Tompo mamelona ny efa maty, Ka aoka hitsangana re hianao ! Fadio tokoa izay mahafaty, Katsaho indrindra ny aina vaovao ! Jesosy Mpamonjy no mba itafio, Ka dia tandremo fa lamba madio ! Ry olo-mahantra mba raiso anio Jesosy, Izay mahavonjy anao. Jesosy Mpamonjy mitondra ny teny Izay hahavelona mandrakizay ; Ka dia henoy ny toky nomeny, Ry olo-maniry ho amin'ny Ray ! Fainganà tokoa, ry efa mifoha Fa indro ny lanitra efa mivoha, Ka faly indrindra ny Tompo tsitoha Hitsena ny zanany velona indray.Կանգնած Ենք Մենք Քո Փառքի Մեջ Più amore باشكرك يا يسوع ผู้ทรงสิริ God of Glory PASS ME NOT lmạ tgẖym God is For Us Бодрствуйте Наш Учитель скоро придёт Nem engedsz el Sana İhtiyacım Var
Song not available - connect to internet to try again?