Ry olona ô, avia ! Ry tany, mifalia ! Mba henoy ny teninay ; Teraka ny Tomponay ; Ao an-tranon'omby ao, Handeha, mitsaoka Azy izao Teraka ny Tompo ! Teraka Jeso ! Ry olona ô, avia ! Ry tany mifalia ! Mba henoy, ry havanay ! Misy zaza hitanay Zanak'Andriamanitra Hamoha indray ny lanitra. Teraka ny Tompo ! Teraka Jeso ! Ry kristiana ô, hobio, Fa afaka hianao anio; Resy izao ny rafinao, Afaka ota hianao, Fahasoavan-dehibe No ho anjaranao anie ; Teraka ny Tompo ! Teraka Jeso.أنا جيت ليك يا يسوع Son Zamanlar Geldi Мəним доғма евим Ҝөјлəрдəдир Tobě patří čest i sláva Pe cararea mantuirii The Roar مالى قلبي بالأفراح Chci, Pane, chválit Tě ئەيسا سەن، مەسىھتۇر fwq tl bʿyd
Song not available - connect to internet to try again?