Ry Rainay ao an-danitra ô, Izay mendrika hoderaina, Mahery sy be indrafo, Tsy takatry ny saina, Izahay dia tonga zanakao, Ka faly manana Anao : Mihoby sy miravo. Izahay miondrika Aminao, Midera Anao tokoa, Fa be ny fitiavanao, Ry Ray mpanisy soa ; Anao izao rehetra izao, Ho vitanao izay tianao, Andriananahary. Ry Jeso Kristy Tomponay Mpanjaka manan-kery, Izay any ankavanan-dRay, Mpanavotra ny very, He, any no ifonanao Ho an'izay navotanao, Fa resinao ny ota. Ny ranao no nalatsakao, Fanati-tsaro-bidy ! Ny ainao ho atohanao Ny olonao mpiady. Na atý na ao an-danitra Jesosy Kristy tokana Ho avotra sy vonjy. Ry Mpampianatra mahay Fanahy Mpanazava, Ampianaro izahay Handroso lalandava, Tariho ny fanahinay, Honenanay rahatrizay Arý an-danitra Amen !Veľkú milosť udeľuješ 나 무엇과도 주님을 바꾸지 않으리 Sobota krásná yạ sydy lmạ ạ̉ry̱ njwmk ạ̉nạ jạy ạṣly fy mḥḍr Jesus, keep me near the Cross Anche se nǐ shì gēn jī Światłością Swą
Song not available - connect to internet to try again?