Ry Rainay ao an-danitra ô, Izay mendrika hoderaina, Mahery sy be indrafo, Tsy takatry ny saina, Izahay dia tonga zanakao, Ka faly manana Anao : Mihoby sy miravo. Izahay miondrika Aminao, Midera Anao tokoa, Fa be ny fitiavanao, Ry Ray mpanisy soa ; Anao izao rehetra izao, Ho vitanao izay tianao, Andriananahary. Ry Jeso Kristy Tomponay Mpanjaka manan-kery, Izay any ankavanan-dRay, Mpanavotra ny very, He, any no ifonanao Ho an'izay navotanao, Fa resinao ny ota. Ny ranao no nalatsakao, Fanati-tsaro-bidy ! Ny ainao ho atohanao Ny olonao mpiady. Na atý na ao an-danitra Jesosy Kristy tokana Ho avotra sy vonjy. Ry Mpampianatra mahay Fanahy Mpanazava, Ampianaro izahay Handroso lalandava, Tariho ny fanahinay, Honenanay rahatrizay Arý an-danitra Amen !Пастухам, что стерегли Aleluja sláva Бомбош бир Мезар يسوع نشكرك Give My All Chissà quando По тундре по железной дороге Ела при Спаса Venez au Prince de la vie Pane, vieru daj
Song not available - connect to internet to try again?