Ry Rainay be fitia, Mpamelona anay ! Tariho tsy hania, Hazoninao izahay ; Fa be ny fahavalo Mitady ny ainay, Mamely tsy mimalo Ilay ratsy hatrizay. Ry Zokinay malala ! Ry Jeso havanay ! Toroy mba hahalala Ny mety izahay ; Ny miaraka Aminao re, Ry Jeso Tompo ô ! No mahasoa ny saina, Ny fo, fanahy koa. Fanahy Mpanazava Sy Mpanadio ny fo ! Tomoera lalandava, Monena ao am-po ; Koa dia ampidino Ny hasoavanao, Ovay sy hamasino Ny toetray izao. Ry Tompo be fiantra ! Ry Telo izay Iray ! Ny tananao miantra, Atsory aminay ; Rehefa tapitra andro Ka hody izahay, Mba raiso re, ry Tompo Mba raiso izahay.Trygg og sikker uten fare УМУДУНУ РАБ'БЕ БАЛА غيرن قلبي 当耶和华记录万民的时候 Budem ako strom Isa - jolymsyń meniń En La Cruz قد إيه నా జీవం నా సర్వం నీవే దేవా عمرى ما هأفشل
Song not available - connect to internet to try again?