Ry Rainay be fitia, Mpamelona anay ! Tariho tsy hania, Hazoninao izahay ; Fa be ny fahavalo Mitady ny ainay, Mamely tsy mimalo Ilay ratsy hatrizay. Ry Zokinay malala ! Ry Jeso havanay ! Toroy mba hahalala Ny mety izahay ; Ny miaraka Aminao re, Ry Jeso Tompo ô ! No mahasoa ny saina, Ny fo, fanahy koa. Fanahy Mpanazava Sy Mpanadio ny fo ! Tomoera lalandava, Monena ao am-po ; Koa dia ampidino Ny hasoavanao, Ovay sy hamasino Ny toetray izao. Ry Tompo be fiantra ! Ry Telo izay Iray ! Ny tananao miantra, Atsory aminay ; Rehefa tapitra andro Ka hody izahay, Mba raiso re, ry Tompo Mba raiso izahay.Libertà Žalm Pôstny Звучите песни до небес ḍmny lṣdrk Je veux chanter au Seigneur Am adormit dar inima-mi veghea O Spirit of Faith/Thy Holy Spirit, Lord, alone Mezzanotte fragile Drahocenný لولاك
Song not available - connect to internet to try again?