Ry Ray, Mpiaro lehibe ! Mba mihainoa ahy e, Ka ampio aho hanao hoe : Hatao anie ny sitrakao ! Izay rehetra sitrakao No aoka mba hatao izao Fa mahasoa ny tianao : Hatao anie ny sitrakao ! Na sarotra aza ny hatao, Mba manampia ny zanakao Hanaraka ny teninao : Hatao anie ny sitrakao ! Na tonga aza ny manjo Ka ory sy mivadi-po, Ho toy izao ny teniko : Hatao anie ny sitrakao ! Mba tanterahonao tokoa Izay kasainao hahasoa ; Ny tena sy fanahy koa ; Hatao anie ny sitrakao ! He ! Hianao dia tsy mandao Izay voaray ho olonao Ka mankatò ny didinao : Hatao anie ny sitrakao !Бахтли кун, бахтли чоғим Кыӵе шудо кыӵе умой Lelkünk az Urat várja nǐ yōng yǒu de Darca spásy, Ježiš ESTE ES EL DÍA QUE HIZO EL SEÑOR С неба на землю по Божьему веленью With all my heart Io vo' narrar Бүх зүрхээрээ Эзэнээ
Song not available - connect to internet to try again?