Ry Sakaizan'ny mpanota ! Fantatrao ny zanakao, Fa malemy, mora lavo, Ka mangataka aminao ; // Mba todiho, mba todiho, Ka henoy ny vavakay // Raha mitombo ny harena, Noho ny fanambinanao, Na matanjaka ny tena Noho ny fitahianao ; // Mba tantano, mba tantano, Sao tsy mahalala Anao // Raha mamely ny devoly, Fahavalon-janakao, Ka mandroso manangoly Hampisaraka aminao ; // Mba tazòny, mba tazòny, Fa tsy mahatana Anao // Raha mangirifiry mafy, Noho ny tsorakazonao, Ka ny havana rehetra Tsy mahita izay hatao : // Mba tsidiho, mba tsidiho, Fa maniry indrindra Anao // Raha tonga ilay fotoana Hiverenana aminao, Ka manahinahy foana Noho ny ratsy izay natao : // Mba tohano, mba tohano, Hahatsiaro tsara Anao //Tuhan Allah Beserta Engkau మమతానురాగాలే మాలలుగా Если мы не встретимся здесь снова Mange savner Jedna hvězda vyniká víc Pe sfanta vieții cărare Твое имя вознесу ạ̉nạ fqt kẖlạṣ كان ممكنًا Половинки
Song not available - connect to internet to try again?