Ry Sakaizan'ny mpanota ! Fantatrao ny zanakao, Fa malemy, mora lavo, Ka mangataka aminao ; // Mba todiho, mba todiho, Ka henoy ny vavakay // Raha mitombo ny harena, Noho ny fanambinanao, Na matanjaka ny tena Noho ny fitahianao ; // Mba tantano, mba tantano, Sao tsy mahalala Anao // Raha mamely ny devoly, Fahavalon-janakao, Ka mandroso manangoly Hampisaraka aminao ; // Mba tazòny, mba tazòny, Fa tsy mahatana Anao // Raha mangirifiry mafy, Noho ny tsorakazonao, Ka ny havana rehetra Tsy mahita izay hatao : // Mba tsidiho, mba tsidiho, Fa maniry indrindra Anao // Raha tonga ilay fotoana Hiverenana aminao, Ka manahinahy foana Noho ny ratsy izay natao : // Mba tohano, mba tohano, Hahatsiaro tsara Anao //Добър Баща ดีกว่าชีวิต Better Than Life Radostne tlieskajme chválu Господня любов Szívvel elhiszem Худо оламни севди يسوع وحده حوى 同一个时间在主里相逢 خد مني روح اليائس Que ta gloire revienne
Song not available - connect to internet to try again?