Ry Tompo, Izay nanangona Anay ho vato velona ! Hazony tsy handao Anao Ny vato voarafitrao ; Fa maro no mandronjina Handevona. Jesosy Fehizoro ô, Mpifehy mora sady to ! Tohano mafy izahay Mba tsy hirodana indray, Fa indro ny mpisompatra Mandrirotra. Ry Vato fampiraisana ! Tariho mba hikambana Ny vato voapaika re, Ho tonga trano lehibe, Tsy zakan'ny mpandevona Harodana. Ry Kristiana marobe Mba ampiraiso tsara re, Hiray am-pitiavana, Ho velona finoana, Ka mba hiaraka hanao Ny asanao.ạllh ạ̉myn wạ̉b ṣạlḥ Моя душа беспомощна The Only One Кроў Хрыста Sen Kutsalsın Йени Бир Езги Сойле sẖạyf kl ạlly qdạmy صوت المجد القوة والخلاص Iso - Jonim mening Шел я в мире заблудился
Song not available - connect to internet to try again?