Ry Tompom-boninahitra, Jereonao izao Ireto izay milahatra Ho tena irakao ; Ny fanasana fatratra Omaninao izao, Ilà-mpitondra hafatra Hamory izay hankao. Hitety sampan-dàlana Sy vohitra izahay Hanetra fisakanana Sy ady mahamay ; Ka aoka hotafiana Ny fiadianao, Fa tena fanafihana Izay hatao izao. O, ry Fanahy Masina, Monena aminay ! Ka aoka ho fanasina Tokoa izahay, Fihino tsy hihemotra, Ataovy irakao Manefa zava-tsarotra Ho voninahitrao. Ry Tompom-boninahitra, Ny voninahitrao No aoka mba hitaratra An-tavanay izao, Ka raha ao an-danitra Fonena-masinao, Dia mainka vao hamiratra Ho voninahitrao.ما كانش ينفع zuó tiān yè lǐ shén ràng wǒ kàn jiàn Божья армия идет круша твердыни зла Notre Dieu est capable de nous délivrer Môj Pán dáva mi lásku bṣlạty lk Track 4 Lift up your hands دقي يا أجراس Zatlieskaj Pánovi
Song not available - connect to internet to try again?