Ry Tomponay Tsitoha ! Ilay Izy hatrizay, Avia, hampifoha Ny fiangonanay Atreho ny mpivory, Fa manantena Anao ; Fohazy ny matory Handray ny teninao. Iraho ny Fanahy Mba hanavao anay, Ka homba sy hitahy Ny teny inoanay Na lehibe na kely, Ampio sy hafanao Hazoto hampiely Atý ny lazanao. Ny asam-pamonjena Izay natombokao, Ambino tsy hihena Tahio sy tontosao ! Ny herin'i Satana Folahy hatrizao, Ho afa-pahotana Izahay navotanao. Arovy ny finoana Izay naorinao ; Vonoy ny hevi-poana Mandà ny teninao Izahay na be na vitsy, Hazony tsy hania, Mba ho Anao mihitsy Mandrakizay doria.Уголёк Чинге орук Domov večný je moje cesty cieľ Когато минаваш през огъня swryạ ʿm tnạdy Your Grace is enough - Kruin Мой друг посмотри вокруг Fugi Petru fugi You Алгышлајаҹам Рəббимизи
Song not available - connect to internet to try again?