Ry varavaran-danitra ô ! Ampandrosoy ny Tomponao, Fa fandresena lehibe No efa vitany tatý Moa iza izao Mpanjaka izao ? Mpandresy iza re izao ? Ny lazany manerana Ny tany sy ny lanitra. Io no Kristy Mpamonjy soa Nisolo olo-meloka, Ka satro-boninahitra No mendrika ny lohany. Anjaranao, ry foko ô ! Hanompo sy hanaraka 'Lay Kapiteny lehibe Nialoha ao an-danitra ao ! Ry Kristy ô ! Mpanavotray ! Irinay mba ho hita koa Izany voninahitrao Sy ny fiandriananao ! Raha tapitra ny andronay, Vohay ny varavaranao, Ny trano namboarinao Honenanay mandrakizay.ЬОвгюлер Олсун King of the nations Аллилуйя Аллилуйя Аллилуйя Иисус-наш Царь! Mba miangavy, Tompo o! Devotion Hűség Amen Оковы Снял с Моей Души dạymạaⁿ tmnḥny qwẗ lḥyạty Друг
Song not available - connect to internet to try again?