Ry zanako mania ! Henoinao izao : Izaho be fitia Mangora-po anao ; Ry zanako ! modia, Sao maty hianao, Fa be ny bibidia ; Modia re ! Ny zavatry ny tany Sao mahasimba anao, Harena mety lany Tsy mahavonjy anao ; Izaho irery ihany No hiadananao ; Ka mbola manontany : Tsy hody va ? Mamiratra jerena Ny lalan-tsitrapo Fa akoso-bolamena Mamitaka ny fo ; Ny sitrapon'ny tena Mamery ny ainao, Ario ka miverena, Modia re ! Izaho Tompon'aina, Nijaly ho anao, Ka he, manolotra aina Mba hamonjena anao ; Ny rako mitaraina, Modia hianao ; Ka aza mba malaina, Modia re !جايين نهتف nǐ yào zhī dào zhǔ de jīn tiān xīn Инандығым илк ҝүндəн ишыгланмышам Setialah, Setialah wạḥd fy ḥyạty frḥẗ qlby byk На непорочний Агнец Miért félig Tied a szívem كۇتەسىڭ سەن مەنى Všade tam, kde sú
Song not available - connect to internet to try again?