Ry zanako mania ! Henoinao izao : Izaho be fitia Mangora-po anao ; Ry zanako ! modia, Sao maty hianao, Fa be ny bibidia ; Modia re ! Ny zavatry ny tany Sao mahasimba anao, Harena mety lany Tsy mahavonjy anao ; Izaho irery ihany No hiadananao ; Ka mbola manontany : Tsy hody va ? Mamiratra jerena Ny lalan-tsitrapo Fa akoso-bolamena Mamitaka ny fo ; Ny sitrapon'ny tena Mamery ny ainao, Ario ka miverena, Modia re ! Izaho Tompon'aina, Nijaly ho anao, Ka he, manolotra aina Mba hamonjena anao ; Ny rako mitaraina, Modia hianao ; Ka aza mba malaina, Modia re !يا أبانا لست أدري نصيبي هو الرب Вярно е На шаг ближе к Тебе Моя заветная мечта 他又真又活 ОБИЧАМ ТВОЕТО ПРИСЪСТВИЕ Бурада ве Гиттиим Йерде Egamizga hamdu sanolar boʻlsin Ключы ад раю
Song not available - connect to internet to try again?