« Ry zaza mpiodina, mba miverena ! » Antsoin'ny Ray ; Isika hamaly am-po tsy terena : « Indreto izahay Miaiky fa ratsy Maratran'ny rafy ; Sitrano izahay, Fa simba ny toetranay. » « Indrisy, nanota ka mendrika ho faty Sy very izahay ! Ny razanay dia nanompo ny maty Ka narahinay. Ry Ray ô, jereo Ka dia vonjeo, Mba ho zanakao Izahay mitanondrika izao » « Sitraniko ny fihemoranareo, Ry zanako ô ! Tsy ampanjomboniko aminareo Ny tavako koa. » Izany irinay Ho re ao am-ponay, Fa Ray Hianao Mampionona ny olonao.Aiutami Ты - мой Господь! Ты призван Az Úr a pásztorom Ona güveniyom, umudum benim O لما ياربي تفتح قلبي God of Revival كل ما عندي لربي Vody živé Танръ Адъ Йюджедир!
Song not available - connect to internet to try again?