« Ry zaza mpiodina, mba miverena ! » Antsoin'ny Ray ; Isika hamaly am-po tsy terena : « Indreto izahay Miaiky fa ratsy Maratran'ny rafy ; Sitrano izahay, Fa simba ny toetranay. » « Indrisy, nanota ka mendrika ho faty Sy very izahay ! Ny razanay dia nanompo ny maty Ka narahinay. Ry Ray ô, jereo Ka dia vonjeo, Mba ho zanakao Izahay mitanondrika izao » « Sitraniko ny fihemoranareo, Ry zanako ô ! Tsy ampanjomboniko aminareo Ny tavako koa. » Izany irinay Ho re ao am-ponay, Fa Ray Hianao Mampionona ny olonao.La mirada de fe al que ha muerto Či už viete Pán Bůh pro mě má svůj plán Genç İnsan Yolunu Buď česť Ti, Pane svätý! O komm O komm Immanuel ạ̉ḥbk rby̱ yswʿ Cherchez mon enfant ce soir Tis Good, Lord, To Be Here E mult prea scumpa viata asta
Song not available - connect to internet to try again?