Ry Ziona, mihainoa ! Injay feo mafy mampifoha Ny ampakarina izao : Mbola alim-be ihany, Fa ny fotoana no lany, Ka avy ny malalanao; Antsoiny hianao Alao ny jironao Ka velomy ; Dia miaingà hivoaka, Hitsena ny mpampakatra ! He, Ziona ravoravo, Fa reny izao ny antso avo Ka velona ny hobiny : Indro, avy Kristy Tompo, Hanafaka anay mpanompo, Halainy hampakariny. He, faly re ny fo ! Avia Tompo ô ! O, hosana ! Mihaingo izao hitsena Anao, Ry Kristy, ny malalanao ! Hira, hoby, fiderana Asandratray mba hitsenana Anao, Jesosy Tompo ô ! Tsy mba misy mitomany, Fa mirana izay mankany Am-pampakaram-badinao ; Mahafinaritra ny hiran-danitra Haleloia ! Ilaozanay ny trano lay, Miakatra ny dianay.RƏBBƏ HƏMD EDİN Aleluja أنت صخرة خلاصي Мы будем славить Fiel te quiero ser Przez różnych ziem krainy Ku Zo, Zo, Zo, Zo Bar tilek armanym júrekte jạy wʿsẖmạn PRAISE HIM! PRAISE HIM!
Song not available - connect to internet to try again?