Sambatra izay voafidy Ho mpiasanao Ka hanohy ireo adidy Izay natombokao. Ho mpitaiza ny fanahy Toy ny vitanao Ho mpiady tena sahy Tarikao Jeso. Dia mpiasa tsy an-tery Ka mafana fo Te-hanangona ondry very Marobe tokoa. Te-hitaona ny tanora Sy ny zaza koa Tsy hifidy asa mora, Fa ho mpankatò. Hianao, ry Jeso Tompo, No nampianatra Ny olonao mba hanompo Tsy mitsahatra. Tsy handala ny talenta Izay natolotrao : Fa ny aina re no fetra Entina manao. Nefa tsy matoky tena Fa malemy moa, Ka dia mila fahendrena Mila hery koa ; Ho mpiasa mahavita Izay anjara etý, Mandra-pody ao am-pita Aminao arý.ดวงใจฉันเฝ้าคอยพระองค์ Танръ Бизим Каямъздър Rejoice! Улугбек 2005 минус 2 No sé por qué el amor de Dios qd ʿlmt مالي سواك قۇدايىم، اچ كۅپتۅگۅن سىرلارىڭدى The light of the world is Jesus /The Whole World Nech naše pery plesajú
Song not available - connect to internet to try again?