Sambatra ny nodimandry, Niala teto ka tafandry Ao ampofoan'i Kristy ; Ravoravo izao ny fony Ka tsy misasatra intsony, Mby ao am-pitsaharany. Ny asany tatý Manaraka azy arý, Haleloia ! Tafiditra ao an-dapanao, Ry Jeso, ny malalanao. Saotra, dera, laza, hery, Mba raiso ho Anao irery, Ry Zanakondry tokinay ! Hianao dia nialoha Hanolotra anjara soa Ho an'ilay malalanay. Ny fahafatesanao No misy aim-baovao, Haleloia ! Hahita Anao ny olonao Hohazavain'ny tavanao. Tsy mba misy alina any, Jesosy no fahazavany Sy tena masoandrony. Azony izay niriny, Ka sambatra ny mpivahiny, Fa ao no tanindrazany, Fa efa tapitra Ny ali-maizina, Haleloia ! Fa foana ny fasana, Maraina no miposaka.Таны хайр шинэ өглөө мэт Mille ragioni Ах ночь غالي على قلبك Isten tenyerén Shalom, shalom Провозглашение Ek sien 'n nuwe hemel kom لو إنت داير bạlạ̹ymạn nḥlq
Song not available - connect to internet to try again?