Tahaka ny masoandro miseho Toy ny heriny izay mahaleo, Na dia takon'ny rahona tao ; Tahaka izany Jesosy Mpamonjy, Izy nitsangana velona indray Ry olombelona, izay voavonjy Mba miderà Azy mandrakizay ! Saotra aman-dera sy laza sy hery, Aoka ho Azy hatramin'izao Izay nanafaka ny olom-bery, Indro ny fasana vaky sy lao. Izy nanafaka ny vavahady : Aiza, ry fahafatesana ô ! Aiza ny herinao sahy miady Amin'ny mino sy amin'ny to ? Jeso Mpamonjy ô ! mba hasoavy Ka mba arovy ny mino Anao, Ka ny Fanahinao aoka ho avy, Mba hanazava ny fonay izao ; Ary tantano izahay tsy hania, Fa Hianao no Mpiaro anay ! O ! ry Mpamonjy anay, mba avia, Ka mba vonjeo, fa miandry izahay ! Jeso, izahay te-hisaotra tokoa Noho ny soa nomenao anay ; Teraka teto nitondra ny soa, Dia ny fiainana mandrakizay Saotra omenay Anao izay nijaly, Nefa natsangan'ny Rainao indray ; Rahatrizay izahay dia hifaly Any an-danitra mandrakizay !lw tzwl ạlsmwạt Қутқарып ал, Әкежан О где же жнецы чтоб теперь собрать Rendi forte il mio cuor Бакытка толо, шаттыкка толо Píseň spasených Дякую Богу Là où tu iras Ya Yesus, Ku Berjanji Maʼbad darvozalari
Song not available - connect to internet to try again?